<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>444</hymn_number>
<title>Ry Raiko feno antra FFPM444</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Raiko feno antra !
 Inty ny zanakao,
 Ny foko dia mahantra
 Raha lavitra aminao ;
 Fa tany karankaina
 Izao tontolo izao,
 Ka reraka ny aina
 Mihataka aminao.

[V2]
 Nivezivezy aho
 Nikaro-java-tsoa,
 Izay rehetra hita
 Nandramana avokoa ;
 Nandany taona maro
 Nanaran-tsitrapo,
 Kanefa tsy nahazo
 Izay mahafa-po.

[V3]
 Mamitaka mihitsy
 Izao tontolo izao,
 Ny mamy dia mangidy,
 Izay tena soa tsy ao ;
 Koa aza mba adalainy
 Intsony re, ry fo !
 Andeha mba ho hendry
 Hatramin'ny anio.

[V4]
 Ry Jeso, Mofon'aina
 Sy Ranon'aina koa !
 Hianao no mahatòny
 Izay filan'ny fo ;
 Hianao no mahavoky
 Hianao no manome
 Izay irin'ny foko,
 Dia hasambaram-be.</lyrics>
</song>